4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola ho avy - Aina Quach

Mbola ho avy ny andro hahatsiarovanao ahy
Amin'ny ora tsy ampoizimpozina,
Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy
Hanembona ahy ianao ka hiodinkodina; (x2)

Mbola ho avy ê irony nenina ê
Hitsako ny hadalànao, hangidy izay telina ê
Mbola ho avy ê, hangirifiry be
Efa tsinjoko hatrety sahady fa ho ranomaso be

Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao
Ireo dinantsika izay nosehina
Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerimbolanao
Hohitanao eo ihany izany ngidiny ô !

Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie
Fony aho nilaozanao anie ka nahatsiaro fanina ê
Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie
Dia higoka ianao ny ngidin'ny ranomaso nateliko ê.

Partager mbola ho avy

Commenter mbola ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Aina Quach